Taranja mampamirapiratra ny malagasy ary isan’ireo mitondra avo ny voninahi-pirenena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny taranja tsipy kanetibe. Tandindomin-doza anefa izany amin’izao fotoana izao noho ny afitsoky ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Araka ny voalazan’ny loharanom-baovao mantsy, tafiditra ary nahazo fankatoavana avy amin’ny federasiona iraisam-pirenen’ny tsipy kanetibe na FIPJP na Fédération Internationale de Pétanque et Jeu Provençal.

Araka io fankatoavana io, ny FSBM irery no afaka mamoaka mpilalao na eo amin’ny sehatra “Régionales” na “Internationales”, na “Continentales” nanomboka tamin’ny nahatongavan’ny fampahafantarana ny teo anivon’ny ministera ny 27 may 2019. Araka ny fantatra anefa, miziriziry tsy mety mamoaka ny fankatoavana sy fahazoan-dàlana ny ao amin’ny ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena.

Vokany, mikatso ny asa sahanin’ny FSBM na Fédération Sport Boules Malagasy. Raha ny tokony ho izy anefa, tokony efa manomana ireo mpilalao vehivavy sy “junior” hiatrika ny fiadiana ny ho tompon-daka eran-tany izay atao any Cambodge ny volana novambra ho avy izao ny FSBM. Karazan’ny antsonjay ataon’ity ministera ity amin’ireo mpilalao taranja tsipy kanetibe ny zava-misy amin’izao fotoana izao.

Tsiahivina mantsy fa tokony ho nandray anjara tany Frantsa ny ekipa malagasy ny volana jona lasa teo. Ny FSBM irery ihany no afaka mamoaka mpilalao hiatrika fifaninanana saingy noho ny fitsivalanan’ny ministera izay tsy nanome alalana ireo mpilalao dia tsy nandray anjara ny malagasy. Tsara ho tsindrina, fa tamin’ny alalan’ny FSBM dia afaka nandray anjara tamin’ny fifaninanana fiadiana ny tompondakan’i Afrika tany Togo ny volana jona lasa teo ny mpilalao olona telo miaraka lehilahy.

Ity farany izay tafiditra ao anatin’ny fifanintsanana hahazoana mandray anjara amin’ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany amin’ny 2020 izay atao any Suisse. Tafita hiatrika izany moa ny ekipantsika. Mampanahy be anefa ny hahafahantsika hiatrika io fiadiana ny tompon-daka eran-tany io raha mbola manohy manao antsonjay ihany ny ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena.

Harilaza R. ny faha 25 jolay 2019.